Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko faha-5

1 Mihanta amin'ny Pretra eo aminareo aho, dia izaho izay Pretra toa azy koa, sy vavolombelon'ny fijalian'ny Kristy, ary mpiombona amin'ny voninahitra izay haseho koa:

2 fahano ny ondrin'Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka hianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitra-po araka an'Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa an-jotom-po; 3 tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry; 4 ka rahefa miseho ilay Filohan'ny mpiandry, dia handray satro-boninahitra tsy mety simba hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0558